Hadinonao (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hadinonao

Ireo fiarahana mamy
Tany aloha tany
Ireo sangisangy sy hehy
Hadinonao ve?

Tsy tsaroanao akory
Iny aho mbola natory
Nofahazinao tampoka
Ka nianjery nikarapoka

Ireo voady mba nomena
Hoe hajaina sy ekena
Tsy tsaroana intsony
Hadinonao tokony

Ireo teny mamy
Ireo kilalaon-tsika
Hadinonao izany
Navelanao hangatsiaka

Irony an-kamantatra
Tantaraina isan'andro
Izay nanampy fatratra
Antsika hitaninandro

Ireo tononkalo novakiana
Izay tsara sy tokiana
Hadinonao izany
Ilay isika mifananihany

Hadinonao koa
Ireny isika nifankatoa
Hoe izaho hanaja anao
Ianao ko torak'izany
Kanefa hadinonao izany

Ireo fahiny niarahana
Toa tsy ho tojo fisarahana
Hadinonao ankehitriny
Tsy tsaroana irony fahiny

Ireo rehetra efa vita
Tsy azo hodiana tsy hita
Hadinonao anefa ireny
Hadinonao koa ilay teny

Teny hoe tiako ianao
Izay navoakan'ny vavanao
Hadinonao izany
Ireo teny mamy
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
781 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0121