Hafatra nampiray (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Indreo ireo vorona
manidina eny ambony
toa te hiantso mafy aho hoe
avia manatona
ho afarako kely
ho any amin'ilay malalako
hafatra miteny hoe
ianao ilay anjarako
ho sandako vola ianao
hampita sy hitondra
ilay taratasy ho any
volamena diamondra
dia nanatona ahy ary
ilay voromanidina
ka niteny toy izao
omeo fa tsy maninona
ka nafakaro tsara izy
mba hitondra ilay valiny
hoe tsy atao anaty valizy
fa ilay feony no teneno akariny
ka tonga tany ary
ilay voromailala
ka nandondona tao amin'ilay malala
dia nataony tsarapita
ny hafatro
ka nisy feo niampita tany amiko
ka feo miventso taraina
hoe ianao ilay lalaina
nantenaina
hamiratra eo amin'ny fiainako
fa aiza ary ianao e?
Zary fitarainako
ilay hafatra nalefanao
mba tongava malaky aty
fa miandry ny malalanao
dia nihaona izahay
nihaona tam-pitiavana
ka nivoady hoe
ho tiako foana ianao rahavako
ka inona inona ho sedraina
dia ho tiana sy ho lalaina
ravaka diamondra safira vatosoa
fa tafita ilay hafatra
dia ho sambatra izahay roa
fa tsy hoe tonga lafatra
hafatra iray
nampiray mandrakizay
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
875 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0111