You are here: home > Vetso

Hamaky vala - Nalison Randrianaivo

Hamaky vala

rehefa afaka ny vary
teny antanim-bary
dia mamaha omby am-bala
handeha hamaky vala

izay mandalo fotsiny ihany
tsy mitoetra eo izany
fa maika hamonjy ahitra
eny ambony avaratra

miandry omby antanim-bary
izay mitretra mafy tongotra
maika hinam-bary
ka maina hatramin'ny molotra

vaky vala ka voky omby
ilay kibo ary efa tsy omby
mientinentina ery
fa vaky vala ny aty

Hametraka hevitra

Midira aloha