Hampiaraka (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hampiaraka

Malala a
Tiako loatra ianao
Toa sambatra ery aho
Mitoetra anilanao
Toa mientana sy ravo akia
Izany foko tia izany
Eto anilanao ilay tia
Ilay mamiko eto an-tany
Hany ka lasa naman-tsika
Ireto natiora sy voary
Izay vavolombelon'ny fitiavan-tsika
Avy amin'ilay Ray Nahary

Hitanao malala a
Tsarovy fa eto ihany
No fotoanantsika roa a
Aleo tsy miala eto izany
Fa eto tsara kokoa
Mba tazana eto daholo
Ny voary sy ny tontolo
Ka maha te honina ery
Maha te ho tia

Hitanao irony
Vonin-kazo mamelana
Izay tena tsara mony
Tena tsara felana
Manintra ery akia
Izany fofon'izy izany
Misy fofom-berovero
Mitana tsiam-barantelo

Hitanao...
Irony rano mikoriana
Avy ao aloha sy aorian-
Tsika...
Madio ery sy mangatsiaka
Toa maha te hilalao
Tsy tiako raha handao

Hitanao...
Iretsy tsikovoka
Manovonovoka ery
Ao anaty ranom-parihy
Tsy foiko intsony
Ireo bozaka maniry
Sy ny rivotra mampitony
Ireo vilona mitsiry

Eto ihany isika no miaraka
Eto no mampiaraka
Aza adino izay a
Dia rahampitso hariva indray
Eto ihany no fotoana
Eto ihany isika no mihaona
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1215 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0171