Hendre tsara (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hendre tsara

hendre tsara malala
any tany lavitra any
tandremo ny miadaladala
na dia tsy hitako aza izany

fa izaho miandry eto ihany
tia anao foana, fa aza manahy
izay hendry tsy ho tratran'izany
atao hoe fankam-panahy

koa mahazo matoky ahy ianao
fa tsy hipelika hijerijery
ny foko izay efa babonao
ka hipetraka ho anao irery

koa hendre tsara izany havako izany
aza manadino ny aty
fa ilay foko dia tokana ihany
vonon-kanaja anao ho doria

etsy horoaka kely
aloha ny handehananao
izay mamy toy ny tantely
mino aho fa tsy hadinonao

veloma mandrampihaona
tsarovy fa izaho eto foana
mbola miandry sy manantena
ity foko izay efa jambena

hendre tsara hoy aho any a
dia aza manadino ahy koa
aza ela fa izaho eto ihany
tsy miova, tsy miova fo
--------
Rohy:
Sokajy : Ahiahy - Fitiavana
1600 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0156