Hetraketrakin'ny fahafatesana (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hetraketrakin'ny fahafatesana

Tantaram-pitiavana mampalahelo

Laingo sy Aro

Laingo
Laingo no anarako
Izao re no tantarako
Fony aho vao 18 taona
Dia efa doton'ny saona
Nandao ahy ny zandriko
Nobabeko teny an-tsandiko
Avy eo 2 taona no lasa
Dia indro izy fa naka
An'i Dada sy i Neny
Ilay kitapo nofonosana
Sy masoandro iray
Satria loza-piarakodia
No nahazo azy roa
Niezaka aho nitsabo
Saingy tsy tana ny ainy
Niara lasa avokoa
Niara niamboho

Onjohonjon'izaho samirery
No namakivaky ny fiainana
Tsy ahita izay hitarainana
I Anja zokiko koa moa
Efa manambady izy
Nefa tsy nataoko ahakivy
Raha izany foana
Fa niezaka aho nivoatra
Nanamboamboatra
Nanao metimety
Nanao internet
Hany ka maro ny lehilahy
Voasintoko tsy nahy
Tsy nataoko nahataitra
Fa izaho koa tsy maika
Fa iny aho ka nahita
Iry tovolahy niampita
Dia nientana ny foko
Nanomboka teo ary
Dia tia makamaka sary
Ka tia mitafatafa
Tsy mba mihafahafa
Na fihetsika na paozy
Ka tia miraoziraozy
Niaraka amin'ny namana
Ka indro fa tafaradalana
Izaho sy i Aro
Ilay tovolahy nanaitra ahy
Manga ery ny resaka
Ka andao aloha hipetraka
Izany aho ka tsikitsiky
Tia mampiseho nify
Tazako hafahafa i Aro
Satria toa sarom-piaro
Hay izy ka tia ahy
Fa menatra ka tsy sahy
Nefa nasiako an-kolaka
Ny bizo tamin'ny takolaka
Taitra ny anao lahy
Ka voateniny tsy nahy
Dia nilaza fa tia ahy
Izaho koa tsy niambahamba
Satria efa jamba
Nifandray izato tady
Ka niaraka sahady
Nandeha teny ny volana
Ka nitranga ary izato olana
Hay ve ka ity Aro ity
Ilay notolorako fitia
Manana aretina hafahafa
Mamono sy mandaka
Dia isak'izay mihetsika
Dia nampiferinaina ahy
Satria tsy tahotra fa sahy
Manindro antsy
Ka mila tsy ho tanty
Tiako tena tiako anefa i Aro
Ary tena mahasarompiaro
Nefa noho ilay mahazo azy
Ka nentiko notsaboana
No nisy voadoana
Tao amin'ny sainy
Ka tsy hainy intsony izay lazainy
Lasa adala i Aro
Nefa tsy naharitra no niainany
Nanala ireo fanaitainany
Lasa izy noho ny farany
Tapitra hatreo ny tantarany
Narary ahy izany
Satria izy ilay tiako teto an-tany
Isa-minitra aho mahatsiaro
Ireo niarahanay sy i Aro
Ndriii, Lasa ianao mantsy
Mafy re ka mafy
Mandria am-piadanana
Nisampanana ny lalana

Tsy elaela akory
Raha iny aho natory
No niantso ahy i Manga
Vadin'i Anja
Ilay zokiko vavy
Hay narary sy nanavy
Ka niditra hopitaly
Niarina aho ka lasa nandeha
Ny andro maizim-be
Tsy ora iray no lasa
Dia indro izy fa lasa
Nandao anay indray
Ranomaso mameno ny tava
Alahelo tsy maty ao am-po
Nandao ahy niamboho
Ilay zokiko malala
Mihetraketraka ny tany
Ranomaso foana izany
No iainako ety
Hatr'izay satria
Fa nahoana aho no tsy nalainao
Namaraka ny tiako aho
Fa navelanao hijaly
Ny hampitso sy ny omaly
Raha mba navelanao mantsy
Ilay olon-tiako
Hiara-dalana amiko
Dia tsy loza ianao ry taniko
Saingy navelanao hiriaria
Ity tenako malia
Hizaka ny kapoaka mangidy
Tsy mba nofinidy
Satria ny hetraketrakin'ny tany
Hetraketrakin'ny fahafatesana
Mafy tena mafy izany
Tsy asiana fampandrenesana
--------
Rohy:
1826 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0167