Hiangavy farany (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hiangavy farany

Raha mahatsiaro ireo lasana
Lasa ny embona ka tsy tana
Mitahiry ireo fahatsiarova
Ny alahelo no fadiranovana

Ianao anefa aiza?
Tsy hay hoe nankaiza?
Marina tsy hita intsony
Fa noratraiko izato fony

Izao aho ity nanenina
Mitady azy indray ny foko
Hataoko ny ala-nenina
Hitady azy no ventsoko

Tsy maintsy hitako ianao
Hiangavy farany aho
Hifona aho, hitalaho
Hiangavy farany aho
Hilela-paladia aho
Hiangavy farany aho
--------
Rohy:
781 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0156