Hifonako malala (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hifonako malala

hifonako malala
ireo teny nandratra anao
izay navoakan'ity vavako
sy nampilatsa-dranomaso
nankarary ny fonao
nanafitohana anao
hifonako malala
fa diso tokoa aho
fa lasalasa ka tsy tanako
ka nahatondraka ny maso
nameno ny tavanao
nanamaloka ilay endrikao

hifonako malala
ireo teny ratsy
sy ireo vono sy kapoka
ka nampahory, nampijaly
niantefa taminao
sy ireo teny tsy voahevitro
hifonako malala
diso tokoa aho mantsy
ka nahatonga anao nikarapoka
nianjera tamin'ny tany, ka narary
ka nandratra ilay endrikao
ireo fanampahan-kevitro

hifonako malala
ireo ditra nataoko
tany ambadika tany
ka tsy nanaja anao akory
fa nankafy teo anilan-drafinao
izay efa fantatrao
hifonako malala
satria toa lasa zary fanaoko
ny manao izany
ka lasa nampahory
anao
nanafitohana anao
nampiakatra ny tosi-drĂ  anao

hifonako malala
ireo adalana vitako
izay tsy azo atao
nefa re voadingako
tsy androa, tsy an-telo
fa ho faranako eto
izay tena mampalahelo
ka nahatonga anao nisento

hifonako malala
fa tsy hamerina intsony
fa hanova famindra
ka ho tsara firindra
ho anao tsy hitony
ity foko vaovao
no atolotro ho anao
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1025 4
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0169