Hitia anao mangina (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hitia anao mangina

Tiako ianao rahavako, Fa saingy ity vavako
Dia voafatotra ombieny, Ka tsy afaka miteny
Na hanambara akory,Mahatsiaro tena ory
Ka manalavi-pijaliana, Dia hitia anao mangina

Tiako ianao rahavako, Fa saingy ity fitiavako
Dia tsy ho anao irery, Tsy tokam-po velively
Fa efa manan-tompo, Ka angamba tsy hadisoako
Raha handefitra aho ry tiana, Ka hitia anao mangina

Tiako ianao rahavako, Fa saingy izato lalako
Hay hafa no hizorany, Ka teny no tolorany
Hoe aleo re hifandao, Misampanana eto izao
Fa ny mba faniriana, Dia hitia anao mangina
--------
Rohy:
1352 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0119