You are here: home > Vetso

Hitia mangina anao - nalsonrazakariasa

Hitia anao anie aho
hitia anao mangina
hokoboniko ho ahy
ny ngindim-pijaliana

ho zakaiko samy irery
ny bitsikin'ny foko
na hitoloko hanirery
dia tsia hiova loko

Na tia anao aza aho
tsy mampaninona izany
ny foko sy ny fanahy
hitia mangina anao hatrany

Na mangidy aok'izany
ny mitazona ilay foko
tsy hitraotra ho any
fa aleo ho leferiko

Mankarary izany satria
ilay foko dia tia anao
kanefa tsy hiara-dia
fa hitia mangina anao

Ny halahelo sy tomany
aoka tsy ho lazaiko
mamparary fo hatrany
eny atramin'ny aiko

ny eritreritro mandeha
lasa mankany ho any
miantso antso mafy hoe
hitia mangina anao hatrany

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha