Ho an'i dada (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ho an'i dada

Dada a
Singasingan-drery
Mahatsiaro an'i neny
Tsy tana ny tomany
Mangidy mafy izany
Nanjary ho marisa
Izato ianao sisa
Miaraka amin'ny zaza
Sisa ianao ry dada

Dada a
Koboninao samirery
Ny alahelo an'i neny
Mpananatra ny zaza
Sy vadinao ry dada
Raha misy ditranay
Ianao no mahamay
Mizaka ny tsierana
Mahay fandeferana

Dada a
Manana adidy aminao
Ireto izahay zanakao
Mahazo mandrin-vato
Fa hitia anao tsy hiato
Hijerijery anao foana
Na amin'inona fotoana
Na dia tsy eo aza i neny
Dia tsy avelanay ho irery
Tsy avelanay ho very
Tsy arianay velively

Dada a
Ianao no singotr'aina
Mamelona ny fanahy
Tsy avelanay hangaina
Ianao, Fa aza manahy
Fa izao androany izao
No hiarabanay anao
Fa fetinao ny androany
Ka aok'izay ny tomany
Faly izahay monoroka
Faly koa manolotra
Fanomezana ho anao
Amin'izao fetinao izao

Dada a
Mirary soa sy ny tsara
Ireto dimby sy fara
Ny Tompo homba anao
Hitantana ny dianao
Hanazava ny lalanao
Ny alehanao rehetra
Ny fiainanao sy etretra
Ankino amin'ny Ray
Fa izy no handray
Amin'izao fetin'ny ray
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
2381 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0158