Ho porofom-pitiavako (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ho porofom-pitiavako

Ny aiko no mametra, Ny fitiavako anao
Ka ireo androko rehetra, Sy ny fisiako eto an-tany
Dia natokako ho anao, Ho anao irery ihany

Tsy filĂ n'ny nofo sanatria, Na fitsiriritana anao
Na fitserana ho tiana, Fa ilay tena fitia tena tia
No atolotro ho anao, Ho mandrakizay no hiriana

Tsy fanomezana lafo vidy, Na harena sy volamena
No porofom-pitiavako anao, Fa ianao no sarobidy
Amiko ianao no volamena, Tsy azo atao kilalao

Ny androko sisa any aoriana, Na mamy na mangidy
Na mafy sy mafaitra, Dia ho zakaiko foana ry tiana
Tsy ataoko mahataitra, Tsy ataoko hahakivy

Fa ianao no fiainako, Mandrakizay doria doria
Ny hivadika aminao izany, Dia ho sanatria sanatria
Tsy mety ny fisainako, Raha tsy anilanao ihany

Izany no porofon'ny fitiavako, Fa ho anao irery aho rahavako, Mandrampikipy ny masoko roa, Fitia tsy manampaharoa
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
2587 2
Hevitra mandeha
All (Alina) ( 07/06/2018 15:22)
Amen!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0124