You are here: home > Vetso

Ho tiako foana ianao - Nalsonrandrianaivo

Ho tiako foana ianao

Ho tiako foana ianao
N'inon'inona hitranga
Ny fiainako tsisy anao
Mahatsiaro tena banga

Ho tiako foana ianao
N'inon'inona hanjoa
Fa raha mbola ianao
Dia vonona hankatoa

Ho tiako foana ianao
N'inon'inona hiseho
Fa ny eo anilanao
Mampisinda ny toreo

Ho tiako foana ianao
Na mamy na mangidy
No hiarahako aminao
Dia tsy ataoko ahakivy

Ho tiako foana ianao
Na fifaliana na fijaliana
No hiainan-tsika
Dia tsy avelako hangatsiaka

Ho tiako foana ianao
Na mora na sarotra
Fa raha ny fitiavanao
Tsy asiako ady varotra

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha