Ho zakaiko (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hozakaiko

Na ho ratraina
vonona sy kendaina
dia tsy hiova ho azy
ilay rose anaty vazy

na ho kilaina
dorona sy hataina
dia tsy ho levona
fa vao maika hantevina

na ho latsaina
hakoraina sy bodaina
dia tsy ho rava
mifankatia lalan-dava

na ho hankalaina
sy ho tsaratsaraina
dia tsy ho lefy
fa efa voa tefy

na haratsiana
sy hampijaliana
atao izay hahakivy
hizakaiko ny mangidy

na ho tsikeraina
tsy ataoko hahalaina
fa ho lalaiko
sy ho zakaiko
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1043 3
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0165