You are here: home > Vetso

Hono hoy aho akia - Nalison Randrianaivo

Hono hoy aho akia

hono hoy aho akia
iza no mba anarandry
fa mahafinaritra ahy izato
hendrikao milanto
ny fietsika miangola
ianao maontina tsy môla
mahafinaritra ahy mihintsy
indrindra raha mitsiky
manintona an'ity foko
ireo masonao mijery ahy
tiako mba tena tiako
mba ianao ilay silampanahy
iankinako amin'ny ho avy
andry sady tokiko
indrindra aho raha manavy
hikarakara ny fanafodiko

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha