I Dada jerena (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
I Dada jerena

Raha tianao handroso ny Firenena
I Dada jerena
Raha tianao hiroborobo ny fambolena
I Dada jerena
Raha tianao hivoatra ny fanatanjahan-tena
I Dada jerena
Raha tianao i Gasikara hanan-karena
I Dada jerena

Raha tianao hiala ny fijaliana
I Dada fidiana
Raha tianao hiroborobo ny fiompiana
I Dada fidiana
Raha tianao hiala ny tsy fisiana
I Dada fidiana
Raha tianao ho tanteraka izay hiriana
I Dada fidiana

Raha tianao ny ho lasa mpinamana
I Dada tohanana
Raha tianao ny hiainam-piadanana
I Dada tohanana
Raha tianao ny hiainam-pahasambarana
I Dada tohanana
Raha tianao ny ho lasa mba manana
I Dada tohanana

Raha tianao ny foko valo amby folo
Ny laharana faha dimy roapolo
Raha tianao i Gasikara manontolo
Ny laharana faha dimy amby roapolo
Raha tianao ny malagasy tsy vaky volo
Ny laharana faha dimy amby roapolo

Raha tianao ny fiaina-mamiana
I Dada aloha laniana
Raha tianao ny hisy Fanjariana
I Dada aloha laniana
Raha tianao ny hisy fihariana
I Dada aloha laniana
Raha tianao ho soa ny any aoriana
I Dada aloha laniana
--------
Rohy:
1135 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.012