You are here: home > Vetso

Ianao ilay diary - Nalsonrandrianaivo

Ianao ilay diary

Ianao ilay diary
voatahiriko anaty sary
ianao ilay diamondra
iray tokana monja

ianao ilay sarobidy
hanerako tsy hamidy
ianao ilay vatosoa
mamiratra ho ahy tokoa

ianao ilay vonin-kazo
ho koloiko tsy halazo
ianao ilay raozy mena fify
nihotazako ilay tsiky

ianao ilay vazy
nitoerako sahady
ianao ilay anjely
nitia ahy irery

Sokajy : Fitiavana, Natiora

Hametraka hevitra

Midira aloha