You are here: home > Vetso

Ianao ilay Mpamonjy - Nalison Randrianaivo

Ianao ilay Mpamonjy
nanafaka ny ratsy
ny heloko ho voa vonjy
Tsy mba hiteny ratsy

ianao ilay Mpanjaka
izay tompo ny tompo
Ny herinao no lapa
ho entiko hanompo

ianao ilay Nahary
izao tontolo izao
nasiana anao zava-boary
Hankasitrahanay ianao

ianao ilay Mampianatra
sy nanoro hatrizay
mba ho lalana tsara
no hizoranay

Ianao ilay Nanolotra
ny ainao ho anay
misaotra indrindra
tompo fa hanompo anao izahay

Sokajy : Vavaka

Hametraka hevitra

Midira aloha