Ilay Dobom-boromanga (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ilay dobo

ilay dobom-boromanga
madio manganahana
miloko mangamanga
ilay rano nahatamana

ilay dobom-boron-kely
mamiratra no tazana
indrindra raha mijery
toa nidika ho fitaratra

ilay dobo-drano-ketsa
nivalana nankaty
fa toa tsy nisy nametra
navela niriary

ilay dobon'Andriamanitra
ilay sarom-pady indrindra
iray mahita lanitra
iray tsy azo afindra

ilay dobom-bazimba
tsy azo zimbazimbaina
indrisy toa simba
izay maina karakaina
--------
Rohy:
605 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0166