You are here: home > Vetso

Ilay fitia manjopiky - Nalison Randrianaivo

Ilay fitia manjopiky

ilay fitia manjopiky
nandrotika, nikiky
ny tao anaty manontolo
tsy hay ho fefena
nahamay toa nandoro
ny tao anaty saha edena

ilay fitia manjorehitra
izay namiratra, nidorehitra
nanazava ny tontolo
sy nampisava ny hatsiaka
ny tao anaty manontolo
sy nampafana antsika

ilay fitia mibaribary
ilay fitahin'ilay nahary
ka nampiray ilay fo
ilay tiana ho sahaza
nampitambatra tokoa
ilay anjara voalaza

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha