Ilay fitiavantsika (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ilay fitiavantsika

miha mafy orina
ilay fitia izay najoro
niarahana nanorina
ho vatofehizoro

miha mafy fatotra
ilay fitia izay namatorana
hita fa tena matotra
ilay fitia nifanolorana

miha mafy hatrany
ilay fitia niarahana nikolo
ka miavao toy izany
tsy ho mety bobon-golo

miha mafy tsy ho rava
ilay fitia izay najaina
toa mamy lalan-dava
ny tokatrano no vitaina
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
996 4
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.017