Ilay raozy (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ilay Raozy

ilay raozy dalia
maniry anaty saha
mitambatra ho maro
mamelana maraina
sy loko mifangaro
tsy mety ho karakaina

ilay raozy voahirana
mamelana mangirana
maniry an-drano maria
mamiratra midorehitra
mahafinaritra ery
ilay izy toa mirehatra

ilay raozy benja
maniry anaty edena
miloko menamena
mijoro, mijaridina
mibanjina ny lanitra
lalovan'ny angidina
ilay fofony manitra

ilay raozy kofolina
ilay raozy finan'ny olona
mitokatokana irery
anaty boza-maintso
izay miendrika anjely
toy ny ravim-paiso

ilay raozy seva
toa miendrika seza
midoroboka mangina
miara-mientana ho iray
mitondra fifaliana
mafinaritra izy izay
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
795 3
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0118