Iny mody masoandro iny (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Iny takariva mody masoandro iny
hatsiarovako ny fahiny
isika roa ilay miaraka
ambodihazo mapiaraka

mitantara izay tany aloha tany
sy izay niainany tamin'izany
ka lasa toa vanitiana sisa
izay tany aloha maro tsy voatanisa

tsy te hiala eo mihintsy
tsy mety ho lany tsikitsiky
fa vao maika misangisangy
hita fa tena mamy tena mamy

iny mody masoandro iny ihany
no kanto indrindra tamin'izany
satria dia hatramin'izao
dia iray tsy hifandao

iny mena masoandro iny koa
ilay fotoana tsy manampaharoa
fa mamy aok'izany
ny fiarahana tamin'izany
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1094 3
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.12