Ity raozy mena ity (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ity raozy mena ity

ity raozy mena ity
dia atolotro ho anao
izay tena be mpitia
sy misy mitady hilalao
fa ianao no safidy
hikarakara azy
ilay raozy sarobidy
mitoetra anaty vazy

ireo olona jerena
dia maniry mba homena
fa ianao no tiako satria
hikarakara ilay fitia
fitia miendrika raozy
mamelana tsara paozy

ilay raozy vonin-kazo
izay tsy mba mety halazo
no atolotro ho anao
tsy mety mankalao

atolotro ho anao
mba ho mari-panekena
ity raozy mena vao
mamiratra jerena
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1018 5
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0154