Ity sasak'alina ity (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ity sasak'alina ity

ity sasak'alina ity
dia alin'ny mpiriary
mety hahitana soa
mety ho ratsy ihany koa

anefa mety ho tsara
mety hahita ilay anjara
ilay taolan-tehezana
sy kofehy nifehezana

anefa mety ho ratsy
sy loza ho anao indray
ianao ho mamo katry
hihakapoka dia izay

misy ireo izay hafa
tsy mba toy izany
indrindra ireo namafa
izay lasa tany aloha tany

misy ireo miady
mifandramatra tokoa
dia misaraka sahady
ilay fitiavan'olondroa

mety hitranga ao daholo
izay tsy hampoizina rehetra
ka mifalia aloha ry olo
fa ny androany anie manampetra
--------
Rohy:
Sokajy : Taona
859 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0165