Izaho sy Ianao (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Izaho sy Ianao

Teny tsotra kely ihany
No nampitambatra izany
Ilay teny hoe tiako ianao
No nahatonga hoe Izaho sy Ianao

Na izaho na ianao
Dia mitovy iray ihany
Amin'ny zavatra atao
Na koa fitiavana izany

Raha tsy misy aminao
Aty amiko mameno izany
Mifameno Izaho sy Ianao
Toa tokana iray ihany

Aminao no fahasambarako
Amiko ihany koa ny anao
Ianao no fanilo ny lalako
Izaho haro fiarovanao

Iraisantsika daholo
Ny zavatra rehetra atao
Ny fitiavana sy ny tontolo
No hoe Izaho sy Ianao

Izaho vorona ianao hazo
Izaho rano ianao vary
Izaho zavamaneno ianao mivazo
Izaho teny ianao kabary

Izaho ihany no ianao
Ianao ihany no izaho
Hiaradia tsy hifandao
Izaho sy Ianao
--------
Rohy:
1060 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0134