Izy no tiako (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Izy no tiako

Na lazaina fa jiolam-boto
Na lazaina fa mpanendaka
Ianao no safidin'ny foko
Ka hiaraka hifampiteraka
Ny vavan'ireo mpankahala
Ny fosafosan'ireo tsy tia
Dia misy farany ireny malala
Fa ny an-tsika roa ho doria

Na lazaina fa mahantra kely
Ka malotoloto sy voretra
Tsy hampiova ahy velively
Fa ny fitiavako azy tsisy fetra
Misy aza moa ny miteny
Fa hoe olona adala ny tiako
Avelako hiteny izy ireny
Fa izy no tiako ka tsy ariako

Na lazaina fa hoe miavona
Tsy hampaninona tsy akory
Fa be foana ireo mpialona
Na andalam-be na mivory
Ka ny tiako ho tsapanareo
Fa izy irery no tiako
Dia ny lalanao re jereo
Fa izy ny ahy tsy ariako
Izy mantsy ny hany malalako
Ary inoako koa fa anjarako
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1303 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0115