Ketoky ny nenina (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ketoky ny nenina

Irery mangingina, Miaritra ny hatsiaka
Eto amoron-kamory, Mahatsiaro tena ory
Miandrandra ilay tiana, Hiverina eo an-tratra
Hamadika ny rasa, Sy ireo lasan-tsika
Izay tena nampahory, Sy mangirifiry
Ny foko te hikiry, Miantsoantso anao, Fa mbola tia tsotr'izao

Tsy tsaroana intsony, Hany tsy matahotra
Fa miandry anao hiverina, Fa ketoan'ny nenina
Izay vita sy natako, Nampahory anao
Koa hifona hitalaho, Tsisy hiano akory
Eto amoron-kamory, Irery tsisy namana
Nahiliky ny havana, Tsisy mihantra
Fa lazaina fa adala, Fa olo-mahantra
Ianao mahalala

Iza moa no antenaina, Angamba tsisy na iray
Hiano izay fifonako, Handray ny fitolomako
Ianao angamba tsy mahare, Na dia feo iray aza
Na dia hoe hitabataba, Hikikiaka mafy
Fa mila tsy ho tanty, Ny kaikitry ny nenina
Izay vitako taloha, Angamba tsy hifoha
Intsony fa efa levona, Efa maty karakaina
Efa hozatra sy maina
Ilay fitiavana fahiny, Fijaliana ankehintriny
Andrasako ny maraina, Hitondra rivo-baovao
Fa ny alina androany, Vonton-tsento sy tomany
Hirifiry mamanala, No hany sisa hiainako
Koa miandry anao hanala, Ny toloko sy tarainako
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1004 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0167