Kolikoly (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Kolikoly

n'aiza n'aiza eto ambonin'ny tany
tsy maintsy misy foana izany
kolikoly sy risoriso
fetsifetsy sy fika masiso

n'inona n'inona atao
ny kolikoly no be ao
na olon-tsotra na manamboninahitra
ny kolikoly no tena mibahana

eto ambonin'ny tany
tsy ilaozan'ny kolikoly
izay mahazo vahana hatrany
toa lasa fialamboly

misy ireo manambola
toa vao maika midola
fa io kolikoly io ihany
no nahazahoany izany

misy ireo manankarena tampoka
izay milaza fa tsy maty antoka
raha manao io kolikoly
manambaka ireo mpamboly

misy koa ireo tia tena
izay tena mahasorena
fa manao zara vilana
sy manao fitia mitongilana
--------
Rohy:
Sokajy : Kolikoly - Fitiavana
1266 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0166