Krisimasy (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Krisimasy

Fotoana fohy sisa
no isaina dia tonga
andro vitsivitsy
hifaliana ireo kilonga

Ilay andro malaza
no sady soa tokoa
ilay andro voalaza
Fa nahaterahan'i Jesoa

koa mifalia ry mpino
miravoa lalan-dava
andro tsy ho hadino
Ry Jesosy malala

hobio sy hasandrato
Ny anarany ilay avo
Ireo mpianany mpanarato
Navotany tsy ho lavo

Derao sy hankalazao
Ilay Andriamanitra mahery
raha mino azy ianao
Dia mino fa tsy ho very
--------
Rohy:
Sokajy : Vavaka
1163 5
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0124