Mahatsiaro ny fahiny (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mahatsiaro ny fahiny

Isaky ny takariva toy izao
Iny mena masoandro iny
Dia mahatsiaro anao aho
Sy irony fiarahana fahiny
Toa zary nofinofy avokoa
Ireny voady sy dina natao
Nanjary fisarahan'olon-droa
Ilay fitiavan-tsika sy ianao
Toa zary fahatsiarovana sisa
Ireny lasan-tsika ireny akia
Irony ora sy andro paradisa
Nanjary natsatso ilay fitia

Eto aho akia no mamisavisa
Ireny niarahan-tsika natao
Ireny fiarahana anali-trisa
Niombonan-tsika sy ianao
Toa zary foana izy ireny
Irony toky nifanomezana
Ireny voady sy ireo teny
Sy ilay tsiky fihomezana
Dia tsy hita sy ho re intsony
Ilay peratra natao fanomezana
Zary niofo sy simba akory

Ankehitriny aho akia mahatsiaro
Fa singasingan-drery ety
Toa tsy tia mifangaro
Amin'ny olona rehetra satria
Tiako ho zina daholo daholo
Ny androko rehetra rehetra
Indrindra indrindra ny tontolo
Zary lasa nanam-petra
Toa mahatsiaro ho banga
Ny eto anilako no tsy anilanao
Tsy ampy anao angamba
Ka mila mafy anao hitoetra ao
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1193 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0177