Malala tsy foiko (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Malala tsy foiko

Any izay ilay malalako
Tiako loatra anie izy iny
Ilay nofinidiko ho anjarako
Nofinidin'ny foko fahiny

Any izay ilay malalako
Tsy foiko anie izy iny
Fanilo nanazava ny lalako
Hatr'izay ka ankehitriny

Manina anao aho ry tiako
Ka mandefandefa vinany
Mba hanala ireo fijaliako
Ka alefako mankany ho any

Manembona anao aho rahavako
Mahatsiaro anao ilay fitiavako
Fa tsy mahafoy anao intsony
Tiany ianao ka tsy hadinoiny

Tsy satry aho mievona foana
Ka manontany tena indraindray
Hoe rahoviana ary vao mba hiaona
Hiaraka hiara-dia indray

Mitoloko anie aho mazĂ na
Mahatsiaro tena ho irery
Ity foko mitroatra no tsy tana
Toa mahatsiaro tena very

Fa mila anao ny androko sisa
Izay iainako ambon'ny tany
Ka miandrandra ho paradisa
Anao tokana tsy roa aman-tany
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
2681 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0125