Mamboraka fitia (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mamboraka fitia

Asa akia fa tena tsy aiko, Tsy aiko mihitsy hoe nahoana
Fa ny foko sy ny saiko, Toa aty amin'indry foana
Hatramin'izay ela izay, Dia tsy nety nanadino anao
Mahatsiaro foana aho indraindray, Toa te hitafa aminao
Ankehitriny aho ity akia, Tafahoana aminao ihany
Mety mbola ho tadidin-dry ve?, Ilay isika nifananihany

Mino aho anefa ankehitriny, Fa na ny anarako aza hadino
Very foana ireo fahiny, Raha tadidy tsy hampino
Ianao anefa tsy hadino velively, Fa voatahiry ato an-tsaiko ato
Toa zary ho ianao irery, No nampitempon'ny foko tsy hiato

Nitady toko aho ka sendra vato, Ka ho tsiniko ary ve?
Raha borahako ny anatiko ato, Aza tsiny indrindra re
Ny mombamomba anao rehetra, Efa vitako tsianjery
Fa ny ahy tsy hanam-petra, Fa ho doria anao irery
Ô ry volana fenomanana ô, Ô ry kintana maha sondriana
Mba tsolovy re ity lalana ô, Fa tojo maizina mangina

Mba tsapanao ve ny foko, Mba rehinao ve ny saiko
Fa manahy sao toloko, No havalinao ahy ry aiko
Tiako manko ianao e, Tena fitiavana marina
Fitia tsy kilalao, ary tsy mba namboarina
Ka ho diso ve aho, Raha milaza an'izany
Mba valio moa raha sitrakao, Ny masoko te hitomany
Ka asakasakao irery sisa, Raha handà ny fitiavako
Fa izaho toa marisa, Manahy mafy aho rahavako
--------
Rohy:
2174 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0158