Manan-tompo (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Manan-tompo

Lahy: Tiako ianao
Diso ve aho?
Raha milaza izany

Vavy: Tsy diso akory ianao
Fa ny tsy fantatrao
Ny foko efa any ho any

Lahy: Eny e,Tiako fotsiny ianao
Tiako tsotr'izao
Tsy misy hoe nahoana

Vavy: Sahy ianao ry tovolahy
Ny miteny tsy amin'ahiahy
Toa miteniteny foana

Lahy: Fa ahoana no lazainao
Fa miteniteny foana aho
Raha milaza ny ato am-poko

Vavy: Efa hitany masonao
Efa tsapanao izao
Fa izaho efa manan-tompo
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
773 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0152