Mangataka famelana (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mangataka famelana

Inty aho rahavako
hiverina hifona aminao
satria diso tokoa aho malalako
ka nanjary nampirafy anao

ka indro re aho fa tonga
hangataka famelana avy aminao
koa nitondra raozy diamondra
izay hatolotro ho anao

koa mamela re ny heloko
na dia zava-doza ary ny nataoko
avy aminao ihany re no ilaiko
mba hampiala izay eritreritrako

koa hamela ahy ve ianao
sa manameloka ahy hatrany
kanefa tiako ho tsapanao
fa tiako ianao dia ianao ihany
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
773 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0126