You are here: home > Vetso

Masina ny Tanindrazana - Nalison Randrianaivo

Masina ny Tanindrazana

Ry Malagasy handeha isika hifidy
Handray ny andraikitra, hanefa ny adidy
Kanefa aoka isika mba handinika tsara
Mba tsy ho voafitaka intsony I Gasikara

Maro loatra mantsy ireo miteny
Milaza fa hoe tia ny fireneny
Kanefa kobaka am-bava fotsiny ihany
Fa rehefa lany izy tsy miraharaha an'izany

Maro loatra mantsy ireo tia tena
Mpanao kolikoly sy mpanangona harena
Ka aoka isika tsy ho voasarika izany
Mivavaha mahereza minoa fotsiny ihany

Ry Malagasy havako namako
Teny kely ihany no voasoatry ity tanako
Fa manantena aho fa hahay hifidy isika
Ho fanavotana ny tany mamin-tsika

Izay tafalatsaka anaty fahantrana lalina
Koa samy isika misaina sy mandalina
Mbola haverina ihany ve ny fitiavan-tena?
Ampy angamba izay ry mpambotry firenena

Masina ny Tanindrazana

Hametraka hevitra

Midira aloha