Mbola manantena anao (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mbola manantena anao

nanantena anao aho
izay nikiry mba nijaly
nandadilady nitalaho
indrisy latsaka tomany

kay ilay nantenaiko
tia ahy sy mba lalaiko
tsy nanaja ahy akory
fa nanao izay nampahory

niaretako hatrany hatrany
izay vitany tamiko
kanjo notohizany ihany
izay hampijaly ity tenako

izaho mba nanantena azy
mba ho ravin'ny tokan-tranoko
hay ka natao vazivazy
ilay teniko sy fitiavako

nefa mbola manantena aho
any andro, volana sy taona
izay tsy mitsahatra mitalaho
fa mbola mantenana, mbola hiaona
--------
Rohy:
Sokajy : Fanantenana - Fitiavana
885 4
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0166