You are here: home > Vetso

Mbola tia - Nalison Randrianaivo

Mbola tia

noroasiko ianao
fa hoe izaho tsy tia intsony
ka lasa ianao nandao
halahelo tsy ho tony

ilay masonao mipitrapitra
manganohano fijery
manontany tena aho hoe nahavita
namela ahy irery

toa te hiantso aho hoe miverena
nefa koa toa te hamela
ity foko manantena
nefa koa tena sorena

malahelo aho no faly sambatra aho no mijaly
fa tsy hitako izay atao
hanaovako anao

toa mifangaro ao avokoa
ny halahelo, fankalana
nefa re ity fo
toa mbola tia, mbola tamana

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha