Miandry anao sisa (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Miandry anao sisa

Aiza ianao rahavako
Fa kely sisa ny hery
Hisokafan'ito vavako
Tsy maintsy sy voatery

Handao anao tsy satry
Tsy mba safidy akory
Ny ho naman'ny maty
Ka tsy ho anao intsony

Aiza ianao ry tiako
Faingana malaky ianao
Fa alohan'ny hikipiako
Ny masoko ahita anao

Intsony hatory tsy hifoha
Tsy akory aheno anao
Ireto sofiko an-kiroa
Sy izao vatako izao

Aiza ianao ry malala
Fa ianao sisa andrasana
Aingana ianao sao tara
Fa efa miandry ahy ny fasana

Malala a. Sao dila re e
Nefa tsarovinao tsara a
Fa izaho no handeha
Fa miandry anao any am-para
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
972 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0119