Miandry fitia avy aminao (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Miandry fitia avy aminao

Ity foko tsy mety mitony
Mitebiteby tsy mety mianto
Toa tsy hay atao hoe ajanony
Fa mibosesika mafy izy ato
Miboletra no sady mitroatra
Maniry anao ka te hivoaka
Hiantsampy eny am-ponao eny
Ity foko toa manirery

Tsy mba rehinao akory anefa
Izay fitiavako miantefa
Mandondona ao am-baravan'ny fonao
Maniry mafy mba hitoetra ao
Indrisy ianao tsy mba rotitra
Tsy tsapanao fa izaho tena potika
Eny tena raraka tanteraka aminao
Koa miandry fitia avy aminao

Midongy tsy mety mitsahatra
Ity foko izay tena tia anao
Toy ireny no tselaram-batra
Raha iny ka hoe nahita anao
Midongizina mafy tokoa
Ity foko izay maniry anao
Izay tena mila anao ity fo
Izay miandry fitia avy aminao
Honeno ny fonao hahatsapa
Ity fitiavako izay lalim-paka
Hangorao ny fonao hahare
Ity fitiavako izay lehibe
Atalotro ho anao irery
Koa raiso moa aho ry anjely

Ny fanahiko manidi-tsidina
Mitady toerana hipetrahana
Te hitoetra nefa te hanidina
Fa ianao foana no mibahana
Ny foko toa te hitomany
Te hanondraka mafy ny tany
Fa tsy hainy hoe rahoviana
Vao mba ho raisonao ry tiana
Ny Hevitra farany atao
Dia ny miandry fitia avy aminao
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1378 3
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0167