Mino (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mino

Tiako a
Mino aho fa hisinda
Ireny fijaliako
Irony fahoriako
Tsy tan-kilanao
Hatr'izay irony
Tsy hisy intsony

Na ny adin-tsaina
Vao mifoha ny maraina
Mino fa hiala
Fa tonga ianao ry lala

Ataoko fa ho sambatra
Ho tonga tena lafatra
Irony hafaliana
Anilanao ry tiana

Mino aho fa ho toa
Ilay fiarahan-tsika roa
Hivoady hanambara
Ilay voady tena tsara
Eny ambonin'ny alitara

Na ireo fianankaviana
Aza...
Ho variana sy sondriana
Mino aho fa hifaly
Tsy intsony jaly

Mino aho ry tiako
Fa niainao koa
Irony fijaliako
Nankarary an-doha
Mino aho fa hiova
Ho fiainam-baovao
Ny fiarahan-tsika sy ianao
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
781 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0114