Misy fo iray any (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Misy fo iray any

Misy fo iray any
izay maniry mba hitia
mba ho anao irery ihany
nefa indrisy tsy ho doria

misy fo iray any
izay te mba ho tiavinao
nefa toa mitomany
izay manahy ho lavinao

misy fo iray any
izay nitia anao mangina
mba naniry, naniry hatrany
nefa ngidim-pijaliana

misy fo iray any
te hitempo fo iray
toa voasakana hatrany
tsy hitia mandrakizay

misy fo iray any
mba nanantena anao
nefa toa niandry ihany
kanefa indrisy tsy hita ianao
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
862 3
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0163