Mitory fitia. (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mitory fitia

Azafady re r'ise
Mba saika hanontany
Aza maika moa handeha
Fa vetivety ihany
Raha toa ka sitrakao
Iray minitra monja
No angatahiko aminao
Hihaino izay lazaiko
Satria tena mafonja
Miatraika amin'ny aiko

Ny foko te hilaza
Ny saiko toa tsy sahy
Vahotra ny vava
Izaho toa manahy
Fa ndrao ka ho lavinao
Raha tena ho lazaiko
Izay ao am-poko ao
Tsy nampandry ny saiko
Tamin'ny nahitako anao

Eny e...
Toheriko ny tahotra
Reseko ny ahiahy
Hilaza tsy ho vahotra
Ary ho tena sahy
Ka izao re ka henoy
Fa ho lazaiko aminao
Ny banga re fenoy
Raha mba azo atao

Ataoko fa efa fantatrao
Sy azoazonao an-tsaina
Raha tsy hilaza intsony ary aho
Ka aoka tsy ho lazaina
Kanefa angie mampijaly
Raha toa hokoboniko ho ahy
Manjary mankarary
Mamotika fanahy

Tsy ho vitako izany
Tsy tantiko ihany koa
Ka ho lazaiko ihany
Izay tsy aritry ny fo
Dia ho diso ve aho?
Raha tsy misalasala
Hiteny hoe: tiako ianao
Hiantso anao ho malala

Eny e...
Izay no tena marina
Tiako ianao
Tsy mba namboarina
Fa avy ao am-poko ao
Ka ianao sisa no misafidy
Na ho eny na ho tsia
Fa izaho tsy hanery tsy handidy
Izay ho valin-tenin'indry

Tsy voatery ho androany
Na izao dia izao
Kanefa...
Asakasakao ihany
Fa tena tiako ianao
Fa izaho tsy hanery
Hanery anao ho eny
Fa raha toa ka tsapanao
Fa mitovy lanja amin'ny ahy
Ny fitiavanao
Dia teneno aza manahy
Aza miahotra ianao
Fa izaho tia anao
--------
Rohy:
5467 3
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0202