Mitsikia foana (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mitsikia foana

Mitsikia foana na dia tojo fahoriana
Fa hisinda vetivety ilay fangirifiriana
Andramo anie fa ho hitanao izany
Hitsahatra ny alahelo hiato ny tomany

Mitsikia foana na dia nilaozan'olon-tiana
Fa hisinda vetivety ny alahelo tsy niriana
Andramo anie fa ho hitanao tsara
Mbola ho avy tokoa mantsy ilay anjara

Mitsikia foana na mafy aza ny fiainana
Raha sendra lavo ianao ny tsiky re hiainana
Andramo anie dia ho hitanao tokoa
Fa hitraka ianao ka lasa be herim-po

Mitsikia foana na dia be mpankahala
Ataovy tsapany fa ianao tsy manadala
Satria ianao mitsiky midika fa tsy ho resiny
Dia jereo avy eo fa ny arahaba no asesiny

Mitsikia foana na dia be tsy tia
Hitsikio malefaka dia ho hitanao satria
Izy indray avy eo no hanajanaja anao
Andramo kely anie ny mitsiky toy izao
--------
Rohy:
1146 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0182