Nandao ahy (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nilaozanao ity foko
manirery aho mitoloko
tsy nampoiziko ho vitanao
ny nandao ahy irery toy izao

ny fitiavako anao
tsy azo ferana intsony
nefa toa nahilikao
tsy hiverina intsony
nangatsiaka ve ilay fitia?
Sa tsy zakanao?

Lasa tsy hitia intsony
lasa nandao ahy

nilaozanao ity foko
manirery aho mitoloko
tsy nampoiziko ho vitanao
ny nandao ahy irery toy izao

tsy manina raha izay
no hitanao fa mety
dia mandehana f'zaho
tsy hitazona anao
soavadia mahereza
amin'izay hatao

lasa tsy hitia intsony
lasa nandao ahy

nilaozanao ity foko
manirery aho mitoloko
tsy nampoiziko ho vitanao
ny nandao ahy irery toy izao
--------
Rohy:
Sokajy : Fisarahana - Fitiavana
1209 5
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0161