Nofy mamy (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nofy mamy

Ianao ilay niriako
No tonga teo anilako
Ilay olo-tena tiako
Niriako mba ho silako

No nilaza fa tia ahy
Koa tsy nisalasala
Tsy amin'ahiahy
Niantso ahy hoe malala

Hafaliana aok'izany
Ny hafaliako
Fa tia ahy ihany
Ianao ilay niriako

Nifanoroka isika
Nifamihina ery
Tsy nahare hatsiaka
Samy nankafy

Notantanako ianao
Hanakatra ny lanitra
Nivoady izaho sy ianao
Teo anatrehan'Andriamanitra

Nifanaiky isika roa
Teo ambon'ny alitara
Fa hifankatoa
Tsy mizarazara

Nifanolotra peratra
Tao ampiangonana
Fa tsy ho reraka
Hamelona ny ankohonana

Dia maty izaho
Dia maty koa ianao
Ka tanteraka izao
Ireo voady natao

Taitra tampoka aho
Ka nijery ny anilako
Tsy teo ianao
Izay niriako ho silako

Hay ve ka nofy
No niarahako taminao
Ilay nitositosy
Izaho sy ianao

Mba tiako tanteraka
Tokoa anie izany
Fa tsy hipetraka
Ho nofy ihany
Ilay nofy mamy
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1566 3
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0151