Ny alina (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny alina

ny alina tokoa hono dia mangina
ny zava-boary dia sina
ny atoandro izay nitarainana
fa ny alina hono mitondra fisainana

ny alina hono dia gina
izay tontolo iray mangina
fa ny feon'ireo bibikely
no manakoako toy ny angely

ny alina maizim-pito ka
raha an'ala mikitroka
mangina tsy handrenesa
ny feon'ny fahafatesana

ny alina mamatonalina
izay mitondra torimaso lalina
ho any amin'ny lanitra faha fito
hifohazana ny hampintsoa

ny alina manala sorisory
indrindra fa rehefa resi-tory
hadino teo ny fahoriana
fa ny alina mitondra hamamiana
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1577 5
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0161