Ny bitsikin'ny foko (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny bitsikin'ny foko
izay miely anatiko ao
tsy ho zary toloko
fa hitempo ho anao
mientanentana ery
ilay foko kely ao
fa entanin'ny fitia
hientana ho anao
toa nisinda avokoa
ny alahelo sy tomany
ka ho tonga ho soa
ampinao ilay teny mamy
ny rivotra malefaka
toa zary nitefaka
tao ampoko tao
noho ny fahitana anao
toa hila hitraotra mafy
hamoha hamaky
ilay varavaran'ny fonao
hitoerany foko
fa ny ahy lasanao
dia mitoera hanjakao
ho anao irery ihany
ny ao am-poko ao
nisinda koa ny jaly
ho lavitry ny lao
ny bitsikin'ny foko
itoeranao ao
ho tiako ianao tsy foiko
fa ny amiko lasanao
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1006 3
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0163