Ny hatsarana (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny hatsarana

Ny hatsarana
Matetika mazĂ na
Hidoladolana
Ireo manana azy
Sy tia manal'azy
Ka mety hanimba
Ny tena indraindray
Indrindra ireo singa
Raha tsy mahay
Mitandrina ianao
Ho simba ny ho avinao

Ny hatsarana
Na bika io na endrika
Tsara mahatamana
Hita fa mendrika
Dia maontina fitafy
Tsy miantsiantsy
Ka tena meva sy raitra
Tsy misy kianina
Tsy misy takaitra
Ka mahavalalanina
Indrindra ireo mahita
Avy dia voasarika
Mahita anao sarika
Ka tsy maharitra
Tsiky fa tsy arika

Ny hatsarana
Misy lafiny roa
Ilay hidoladolana
Sy ilay mendrika sy soa
Raha amin'ilay jefijefy
Ilay hita fa tsy mety
Raha ilay fahamaontinana
Sy amin'ny fahamarinana
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1022 3
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0161