Ny itiavako anao. (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny itiavako anao

Ny itiavako anao, Dia ny maha ianao anao
Tsy hoe anio ihany, Na miserana dia lany
Fa ny fiainako rehetra, Dia mila anao hitoetra
Na ny androko tontolo, Dia mila anao daholo

Ny itiavako anao, Dia ny toetra sy fanahinao
Fa tsy bika na endrika, Na ianao tena mendrika
Tsy ny vola na harena, Tsy izany re no jerena
Fa ny toetra sy fanahy, Azo antoka tsy hampanahy

Ny itiavako anao, Tsy hoe fitsiriritana akory
Na fitserana anao, Mahantra sy ory
Fa tena fitiavana marina, Fa tsy mba namboarina
Ary tena avy ao am-poko, Tsy atakalo tsy ho soloiko
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1345 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0157